FIZARANA VOALOHANY
“Nisokatra ny Lanitra”
EZEKIELA 1:1
HEVITRA HODINIHINA: Hoatran’ny ahoana ny any amin’ny lanitra misy an’i Jehovah?
Tsy misy olombelona afaka mahita an’i Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, ka mbola ho velona. (Eks. 33:20) Nomen’i Jehovah fahitana anefa i Ezekiela, dia nahita ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminany. Tsy vitan’ny hoe mampitolagaga antsika ireny fahitana ireny, fa vao mainka hahatonga antsika hiaiky hoe voninahitra lehibe ny manompo an’ilay tena Andriamanitra.