FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 36:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Ary nanao ridao+ izy, tamin’ny kofehy manga sy volonondry volomparasy somary mena sy kofehy mena midorehitra ary kofehy rongony miolana tsara. Ary noravahany kerobima+ natao peta-kofehy ilay ridao.

  • Eksodosy 40:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Dia nentiny nankao amin’ny tranolay ny Vata, ary napetany teo amin’ny toerany ny ridao+ fanakonana, ka nosakanany ny lalana mankeo amin’ilay Vata misy ny tenin’ny vavolombelona,+ araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

  • Levitikosy 16:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Ilazao i Arona rahalahinao mba tsy hiditra foana ao amin’ny toerana masina,+ izany hoe ao ambadiky ny ridao,+ eo anoloan’ny saron’ny Vata, sao ho faty izy.+ Ao anaty rahona+ mantsy no hisehoako eo ambonin’ilay sarony.+

  • Lioka 23:45
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 45 satria tsy nazava ny masoandro. Ary triatra nisaraka roa teo afovoany+ ilay ridao+ tao amin’ny toerana masina.

  • Hebreo 6:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Izany fanantenana+ ananantsika izany no vatofantsiky ny aintsika, sady azo antoka no mafy orina, ary miditra ao ambadiky ny ridao.+

  • Hebreo 9:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Fa tao ambadik’ilay ridao+ faharoa kosa no nisy ilay efitra nantsoina hoe “ny Masina Indrindra.”+

  • Hebreo 10:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Izany lalana izany no nosantariny ho antsika ho lalam-baovao sy velona izay mamaky eo amin’ilay ridao,+ izany hoe ny nofony.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara