7 Ary halaiko ho oloko tokoa ianareo,+ ka ho Andriamanitrareo aho.+ Ary ho fantatrareo tokoa fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay mamoaka anareo ho afaka amin’ny enta-mavesatra ampitondrain’i Ejipta anareo.+
17 Fa hoy ny Soratra Masina momba an’i Farao: “Noho izao indrindra no mbola namelako anao ho velona: Mba ho amin’ny alalanao no hampisehoako ny heriko, ary mba hambara eran-tany ny anarako.”+