-
1 Mpanjaka 13:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Dia nanameloka an’ilay alitara ilay lehilahin’Andriamanitra, araka ny tenin’i Jehovah, ka niantsoantso hoe: “Ry alitara ô, ry alitara ô! Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hisy zazalahy ho teraka ao amin’ny taranak’i Davida. Josia+ no anarany. Ary hataony sorona eo amboninao ireo mpisoron’ny toerana avo, izay manolotra setroka ho sorona eo amboninao. Taolan’olona no hodorany eo amboninao.’”+
-
-
2 Mpanjaka 23:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Ary nampanalain’i Josia ny mpisorona rehetra tany amin’ny tanànan’i Joda. Tiany hozimbazimbaina mantsy ny toerana avo nanoloran’ny mpisorona setroka ho sorona, mba tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony, hatrany Geba+ ka hatrany Beri-sheba.+ Noravany koa ny toerana avo teny amin’ireo vavahady teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Josoa lehiben’ny tanàna. Eo ankavia no misy an’io vavahadin’i Josoa io, raha miditra eo am-bavahadin’ny tanàna ny olona.
-
-
2 Tantara 34:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Tamin’ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zaza+ izy, dia nanomboka nitady+ an’ilay Andriamanitr’i Davida razambeny. Ary tamin’ny taona faharoa ambin’ny folo, dia natombony ny fanadiovana+ an’i Joda sy Jerosalema, ka nesoriny ny toerana avo+ sy ny tsato-kazo masina+ sy ny sary sokitra+ ary ny sarivongana metaly.
-