FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 27:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “Ary ataovy ny tokotanin’ny+ tranolay. Ny lafiny mitodika any Negeba, izany hoe mitodika mianatsimo, dia hasiana fefy lamba vita amin’ny kofehy rongony miolana tsara,+ ka zato hakiho ny halavany.

  • Eksodosy 38:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Ary nanao ny tokotany izy.+ Natao tamin’ny kofehy rongony miolana tsara ny fefy lamban’ny tokotany, ho an’ny lafiny mitodika any Negeba, izany hoe mitodika mianatsimo. Zato hakiho ilay fefy.+

  • Eksodosy 40:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Farany, dia nataony manodidina ny tranolay fihaonana sy ny alitara ny tokotany,+ ary napetany ny lamba fanakonana ny vavahadin’ny tokotany.+

      Koa vitan’i Mosesy ny asa.

  • Ezekiela 42:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Dia hoy ilay lehilahy tamiko: “Efitra masina fisakafoana ireo efitra fisakafoana eo avaratra sy ireo eo atsimo, izay eo anoloan’ny faritra manasaraka.+ Ao ireo mpisorona izay manatona+ an’i Jehovah no mihinana ny zavatra masina indrindra.+ Ao koa no fametrahany ny zavatra masina indrindra sy ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra noho ny heloka, satria masina io toerana io.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara