FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 30:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Aza anolorana emboka manitra tsy ara-dalàna,+ na fanatitra dorana, na fanatitra varimbazaha, eo ambonin’ilay alitara, ary aza andrarahana fanatitra zava-pisotro koa eo.

  • Levitikosy 10:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “Aza misotro divay na toaka+ ianao sy ny zanakao lahy, rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana mba tsy ho faty ianareo. Lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany, ho an’ny taranakareo,

  • Levitikosy 16:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Ilazao i Arona rahalahinao mba tsy hiditra foana ao amin’ny toerana masina,+ izany hoe ao ambadiky ny ridao,+ eo anoloan’ny saron’ny Vata, sao ho faty izy.+ Ao anaty rahona+ mantsy no hisehoako eo ambonin’ilay sarony.+

  • Isaia 28:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ireny koa dia diso lalana noho ny divay, ary mirenireny noho ny toaka. Diso lalana ny mpisorona sy ny mpaminany+ noho ny toaka, very hevitra izy ireo vokatry ny divay, ary mirenireny+ vokatry ny toaka. Diso lalana koa izy ireo ao amin’ny fahitana hitany, ary mivembena amin’ny fanapahan-keviny.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara