FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 53:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Koa homeko anjara miaraka amin’ny maro izy.+ Hifampizara babo miaraka amin’ireo mahery izy,+ noho izy nanolotra* ny ainy ho amin’ny fahafatesana.+ Ary natao ho anisan’ny mpandika lalàna izy.+ Nitondra ny fahotan’ny maro koa izy,+ ary mpanelanelana+ eo amin’ireo mpandika lalàna.

  • Jaona 1:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Hitany nanatona azy i Jesosy ny ampitson’iny, ka hoy izy: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra+ izay manaisotra ny fahotan’izao+ tontolo izao!+

  • Romanina 15:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Na i Kristy aza mantsy tsy nanao izay nahafaly ny tenany.+ Izany dia araka ny voasoratra hoe: “Mihatra amiko ny latsa nataon’ireo nandatsa anao.”+

  • Efesianina 1:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Izy io no ananantsika ilay fanafahana entin’ny vidim-panavotana amin’ny alalan’ny rany,+ eny, ahazoantsika ny famelana+ ny helotsika, araka ny harenan’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.+

  • Hebreo 9:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 dia tahaka izany koa no nanolorana an’i Kristy indray mandeha monja+ mba hitondra ny fahotan’ny maro.+ Ary rehefa hiseho+ fanindroany+ izy, dia tsy hanaisotra fahotana,+ fa hiseho amin’ireo miandry azy fatratra ho famonjena an’ireo.+

  • 1 Petera 2:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Izy no nitondra ny fahotantsika+ tao amin’ny vatany, teo amin’ny tsato-kazo,+ mba ho afaka amin’ny ota isika+ ka hanao ny marina foana eo amin’ny fiainantsika. “Ny ratra taminy no nahasitrana anareo.”+

  • 1 Jaona 3:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Fantatrareo koa fa naseho izy mba hanaisotra ny fahotantsika,+ ary tsy misy ota+ ao aminy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara