11 Fa enina andro no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo,+ ary nanomboka nitsahatra izy tamin’ny andro fahafito.+ Izany no antony nitahian’i Jehovah ny andro sabata sy nanamasinany azy.+
13 “Mitenena amin’ny zanak’Israely hoe: ‘Tandremo tsara ny sabatako+ satria izany no famantarana eo amiko sy aminareo, hatramin’ny taranakareo fara mandimby, mba hahafantaranareo fa izaho Jehovah no manamasina anareo.+