29 “Izao no ho lalàna ho anareo mandritra ny fotoana tsy voafetra:+ Amin’ny andro fahafolon’ny volana fahafito,+ dia hampahory tena ianareo,+ ary tsy hanao asa na inona na inona,+ na ny teratany na ny vahiny monina eo aminareo.
5 Tokony ho toy izao ataonareo izao ve ny fifadian-kanina ekeko, dia andro ampahorian’ny olona ny tenany,+ sy anondrehany loha toy ny harefo, ary atoriany eo ambony gony sy lavenona?+ Izany ve no ataonareo hoe fifadian-kanina sy andro ankasitrahan’i Jehovah?+