Eksodosy 13:21 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 21 Ary nandeha teo alohan’ny vahoaka i Jehovah, ka nitari-dalana azy tao anatin’ny andry rahona nandritra ny andro,+ sady nanazava azy tao anaty andry afo nandritra ny alina, mba handehanan’izy ireo andro aman’alina.+ Nehemia 9:12 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 12 Andry rahona no nitarihanao azy nandritra ny andro,+ ary andry afo nandritra ny alina+ mba hanazavana+ ny lalan-kalehany. Salamo 78:14 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 14 Nitarika azy tamin’ny alalan’ny rahona izy rehefa antoandro,+Ary tamin’ny fahazavan’ny afo nandritra ny alina manontolo.+ Salamo 105:39 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 39 Namelatra rahona izy mba hanakona,+Sy afo mba hanazava mandritra ny alina.+
21 Ary nandeha teo alohan’ny vahoaka i Jehovah, ka nitari-dalana azy tao anatin’ny andry rahona nandritra ny andro,+ sady nanazava azy tao anaty andry afo nandritra ny alina, mba handehanan’izy ireo andro aman’alina.+
12 Andry rahona no nitarihanao azy nandritra ny andro,+ ary andry afo nandritra ny alina+ mba hanazavana+ ny lalan-kalehany.
14 Nitarika azy tamin’ny alalan’ny rahona izy rehefa antoandro,+Ary tamin’ny fahazavan’ny afo nandritra ny alina manontolo.+