33 “‘Aza mandoto ny tany onenanareo. Mandoto ny tany mantsy ny ra.+ Ary tsy misy fandrakofam-pahotana ho an’ny tany raha misy ra nalatsaka teo aminy, afa-tsy ny ran’izay nandatsaka izany ihany.+
21Ary nisy mosary+ tamin’ny andron’i Davida, nandritra ny telo taona nisesy. Dia nanontany an’i Jehovah i Davida, ka hoy i Jehovah: “Meloka ho nandatsa-dra i Saoly sy ny ankohonany, satria novonoiny ho faty ny Gibeonita.”+