FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 20:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “Aza manitsakitsa-bady.+

  • Levitikosy 20:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “‘Izay lehilahy manitsakitsa-bady ka maka vadin’olona, dia manitsakitsa-bady noho ny nakany ny vadin’ny namany.+ Tsy maintsy vonoina ho faty ilay lehilahy nanitsakitsa-bady sy ilay vehivavy nanitsakitsa-bady.+

  • Malakia 3:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Ary hanatona anareo aho mba hitsara anareo,+ ka ho mailaka hijoro ho vavolombelona+ hiampanga ny mpilalao ody,+ sy ny mpanitsakitsa-bady,+ ny mpianiana lainga,+ ny mpanambaka mpiasa rehefa mandoa karama,+ ny mpanambaka ny mpitondratena+ sy ny kamboty ray,+ mbamin’ireo tsy miraharaha ny zon’ny vahiny monina eo aminareo.+ Tsy matahotra ahy ireo”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

  • 1 Korintianina 6:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Tsy fantatrareo angaha fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina?+ Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpijangajanga,+ na mpanompo sampy,+ na mpanitsakitsa-bady,+ na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana,+ na lehilahy miray amin’ny lehilahy,+

  • 1 Korintianina 6:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Andosiro ny fijangajangana.+ Izay fahotana hafa rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny vatany, fa ny mpijangajanga kosa manota amin’ny vatany ihany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara