FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 8:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Ary nandre hanitra mampitony+ i Jehovah, ka hoy i Jehovah anakampo:+ “Tsy hanozona ny tany+ intsony aho noho ny amin’ny olona, satria zava-dratsy foana no irin’ny fony,+ efa hatramin’ny fahazazany.+ Koa tsy horinganiko intsony tahaka izay efa nataoko ny zavamananaina rehetra.+

  • Eksodosy 16:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Handrotsaka mofo ho anareo avy any an-danitra aho.+ Ary hivoaka haka izay laniny isan’andro ny tsirairay,+ mba hizahako toetra azy raha handeha amin’ny lalàko izy, na tsia.+

  • 1 Tantara 28:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “Ary ianao, ry Solomona zanako, fantaro+ ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa+ azy amin’ny fo manontolo+ ary aoka ianao ho finaritra eo am-panompoana azy.+ Fa mandinika ny fo rehetra i Jehovah,+ ary hitany avokoa ny eritreritra sy ny faniriana.+ Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy,+ fa raha mahafoy azy kosa ianao,+ dia hariany mandrakizay.+

  • Salamo 139:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Ianao no mahalala ahy, na mipetraka aho na mitsangana.+

      Fantarinao avy eny lavitra eny ny eritreritro.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara