25 Ary manomboka anio dia hataoko mihorohoro sy matahotra anao ny olona ambanin’ny lanitra rehetra izay handre momba anao. Dia hitebiteby izy ary hanaintaina toy ny mihetsi-jaza noho ny aminao.’+
12 Dia nalefako hialoha anareo ny fahakiviana, ka izany no nandroaka azy ireo tsikelikely tsy ho eo anatrehanareo,+ toy izay nanjo ny mpanjaka roan’ny Amorita. Tsy ny sabatrareo na ny tsipìkanareo anefa no nahatonga izany.+