18 Dia nidona-tsetroka ny Tendrombohitra Sinay iray manontolo,+ satria i Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo.+ Tsy nitsaha-niakatra ny setroka, toy ny setroky ny lafaoro fandoroana biriky.+ Ary nihovotrovotra mafy ilay tendrombohitra manontolo.+
11 “Koa nanatona ianareo, dia nitsangana teo am-pototry ny tendrombohitra. Ary nirehitra ilay tendrombohitra, ka nisy afo nanakatra ny lanitra, sady nisy haizina sy rahona ary haizim-pito.+