20 Hoy koa i Jehovah tamin’i Arona: “Tsy hanana lova ao amin’ny tanin’izy ireo ianao, ary tsy hisy anjaranao eo aminy.+ Fa izaho no anjaranao sy lovanao eo amin’ny zanak’Israely.+
62 Ary telo arivo sy roa alina no voasoratra anarana tamin’izy ireo, dia ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra.+ Fa tsy nosoratana anarana niaraka tamin’ny zanak’Israely izy ireo,+ satria tsy tokony homena lova teo amin’ny zanak’Israely.+
9 Noho izany, dia tsy manana anjara na lova+ miaraka amin’ny rahalahiny i Levy, fa i Jehovah no lovany, araka izay nolazain’i Jehovah Andriamanitrao taminy.+