33 Hoy anefa i Samoela: “Nataon’ny sabatrao+ fongana ny zanaky ny vehivavy, koa mba hatao fongana toy izany koa ny zanaky ny reninao,+ ka amin’ny vehivavy rehetra dia izy no ho fongana anaka indrindra.”+ Dia notetitetehin’i Samoela teo anatrehan’i Jehovah tao Gilgala i Agaga.+
25 Tamin’i Estera tonga teo anatrehan’ny mpanjaka anefa, dia namoaka izao didy natao an-tsoratra+ izao ny mpanjaka: “Aoka hatsingerina eo an-dohan’i Hamana ny teti-dratsiny+ hamelezana ny Jiosy.”+ Dia nahantona teo amin’ny tsato-kazo izy sy ny zanany lahy.+