8 Dia hoy i Joda tamin’i Onana: “Manaova firaisana amin’ny vadin-drahalahinao, ary alaivo ho vady izy ka ento loloha, dia miteraha hamelo-maso ny rahalahinao.”+
5 “Raha misy mpirahalahy miara-monina ary maty tsy nitera-dahy ny iray, dia tsy tokony ho lasa vadin’olon-kafa ny vady navelan’ny maty. Tokony handeha ho any amin-dravehivavy ny rahalahim-badiny, ary hampakatra azy ho vady ka hitondra loloha azy.+
28 hoe: “Mpampianatra ô, nanoratra ho antsika i Mosesy+ hoe: ‘Raha maty ny lehilahy iray ka namela vady tsy niteraka, dia tokony hampakatra ny vady navelany ny rahalahiny+ mba hiteraka hamelo-maso ny maty.’+