11 Koa hoy i Joda tamin’i Tamara vinantovaviny: “Mitoera ho mpitondratena any an-tranon-drainao, mandra-pahalehiben’i Sela zanako lahy.”+ Fa hoy izy anakampo: “Sao ho faty toy ireo rahalahiny koa izy.”+ Koa lasa nitoetra tany an-tranon-drainy i Tamara.+
5 “Raha misy mpirahalahy miara-monina ary maty tsy nitera-dahy ny iray, dia tsy tokony ho lasa vadin’olon-kafa ny vady navelan’ny maty. Tokony handeha ho any amin-dravehivavy ny rahalahim-badiny, ary hampakatra azy ho vady ka hitondra loloha azy.+