17 dia hitahy anao tokoa aho, ka tena hataoko maro ny taranakao, eny, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina.+ Ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.+
4 Koa nivoaka izy ireo sy ny tobiny rehetra, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina,+ niaraka tamin’ny soavaly+ sy kalesin’ady be dia be.
12 Nitoetra tany amin’ny lemaka iva ny Midianina sy ny Amalekita ary ny Tatsinanana rehetra,+ sady maro be tahaka ny valala.+ Ary tsy hita isa ny ramevany,+ fa maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina.