22 Eo aho no hiseho aminao. Dia hiteny aminao eo ambonin’ny saron’ilay Vata aho,+ eo anelanelan’ireo kerobima roa eo amin’ilay Vata misy ny tenin’ny vavolombelona, ka hilaza aminao ny didy rehetra omeko anao ho an’ny zanak’Israely.+
4 Koa naniraka olona hankany Silo ny vahoaka, ka nentina avy any ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay mipetraka eo amin’ny kerobima.+ Ary teo koa izy mirahalahy zanak’i Ely, dia i Hofinia sy Finehasa, niaraka tamin’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’Andriamanitra.+