8 Hidina aho hanafaka azy eo an-tanan’ny Ejipsianina,+ ka hitondra azy hiala amin’izany tany izany mba hiakatra ho any amin’ny tany soa sady malalaka, dia tany tondra-dronono sy tantely+ izay tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.+
5 Ary ankehitriny, raha mankatò+ an-tsakany sy an-davany ny teniko ianareo ka tena manaja ny fifanekena hataoko aminareo,+ dia ho fananako manokana fidiko avy amin’ny firenena hafa rehetra tokoa ianareo,+ satria ahy ny tany manontolo.+
9 Ory izy nandritra ny fahoriana rehetra nanjo an’ireo,+ ary ny iraka manokana nalefany no namonjy azy ireo.+ Noho ny fitiavany sy ny fangorahany no nanavotany azy,+ sy nibatany azy, ary nitondrany azy foana fahiny.+