FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 34:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Ary hoy i Jakoba tamin’i Simeona sy Levy:+ “Efa nahatonga loza tamiko ianareo, fa noho ny nataonareo, dia hankahala ahy ny mponina eto amin’ity tany ity,+ dia ny Kananita sy ny Perizita. Ary satria vitsy an’isa aho,+ dia hiangona hanohitra sy hamely ahy izy ireo, ka ho ripaka izaho sy ny ankohonako.”

  • Eksodosy 5:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Avy hatrany dia hoy ireo mpiadidy tamin’izy roa lahy: “I Jehovah anie hijery anareo sy hitsara anareo!+ Fa efa nanamaimbo+ anay teo anatrehan’i Farao sy ny mpanompony ianareo, ka nasianareo sabatra eny an-tanany hamonoany anay.”+

  • 1 Samoela 13:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia ren’ny Israely rehetra hoe: “Notafihin’i Saoly ny toby miaramilan’ny Filistinina, ka nanjary halan’ny+ Filistinina ny Israely.” Koa nantsoina avokoa ny olona mba hanaraka an’i Saoly ho any Gilgala.+

  • 1 Samoela 27:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Koa nino+ an’i Davida i Akisy, ka niteny anakampo hoe: “Efa nanjary halan’ny Israely olony tokoa izy,+ ka ho mpanompoko mandritra ny fotoana tsy voafetra.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara