2Taorian’izay, dia nanontany an’i Jehovah+ i Davida hoe: “Hiakatra ho any amin’ny tanàna iray any Joda ve aho?” Dia hoy i Jehovah: “Miakara.” Ary hoy i Davida: “Any aninona no hiakarako?” Dia hoy izy: “Any Hebrona.”+
5 Tao Hebrona no nanjakany teo amin’ny Joda fito taona sy enim-bolana,+ ary tao Jerosalema+ kosa no nanjakany teo amin’ny Israely rehetra sy ny Joda telo amby telopolo taona.