FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 18:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Rehefa nandringana an’ireo mpaminanin’i Jehovah+ mantsy i Jezebela,+ dia mpaminany zato no nalain’i Obadia ka nafeniny. Dimampolo avy no nataony tao anaty lava-bato, ary nitondrany mofo sy rano izy ireo.+

  • 1 Mpanjaka 18:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Koa maniraha olona, ka vorio ny Israely rehetra hankany amiko any amin’ny Tendrombohitra Karmela.+ Vorio koa ny mpaminanin’i Bala+ dimampolo sy efajato sy ny mpaminanin’ny tsato-kazo masina+ efajato, izay samy mihinana eo an-databatr’i Jezebela.”+

  • 1 Mpanjaka 19:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Ary nolazain’i Ahaba+ tamin’i Jezebela+ daholo ny nataon’i Elia, sy ny namonoan’i Elia ny mpaminany rehetra tamin’ny sabatra.+

  • 1 Mpanjaka 21:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Dia hoy i Jezebela vadiny: “Tsy ianao angaha moa no mpanjakan’ny Israely?+ Mitsangàna, mihinàna hanina, ary aoka ho falifaly ny fonao. Izaho no hanome anao ny tanimboalobok’i Nabota Jezirelita.”+

  • 1 Mpanjaka 21:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Tsy nisy mihitsy olona sahala amin’i Ahaba,+ izay tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hanao izay ratsy teo imason’i Jehovah noho ny fampirisihan’i+ Jezebela+ vadiny.

  • 2 Mpanjaka 9:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Tonga tany Jezirela+ i Jeho tamin’ny farany, ka ren’i Jezebela+ izany. Dia nanao manjamaso+ mainty izy, sady nandravaka ny lohany,+ ka nitazana teo am-baravarankely.+

  • Apokalypsy 2:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “‘Na izany aza, dia izao no anomezako tsiny anao: Leferinao ilay vehivavy Jezebela,+ izay mihambo ho mpaminanivavy sady mampianatra+ sy mamitaka ny mpanompoko+ hijangajanga+ sy hihinana zavatra atao sorona ho an’ny sampy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara