FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 12:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ary makà hysopa*+ iray fehezana, ka atsobohy ao amin’ilay ra anaty koveta. Dia akao ny ra anaty koveta, ka ahosory eo amin’ny tataom-baravarana sy eo amin’ny tolàna roa. Ary aza misy mivoaka ny varavaran’ny tranonareo ianareo mandra-maraina.

  • Nomery 19:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Haka hysopa+ ny lehilahy iray madio,+ dia hanatsoboka izany ao amin’ilay rano, ka hamafy ilay rano amin’ny tranolay sy ny fitaovana rehetra ary ny olona* rehetra tao, ary koa amin’ilay nikasika taolam-paty na nikasika olona matin-tsabatra na faty na fasana.

  • Salamo 51:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Hanadio ahy amin’ny hysopa* anie ianao, mba ho afaka ny fahotako ka hadio aho!+

      Hosasanao anie aho, mba ho fotsy mangatsakatsaka!*+

  • Hebreo 9:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Fa fony nolazain’i Mosesy tamin’ny olona rehetra ny didy tsirairay araka ny Lalàna,+ dia nalainy ny ran’ny vantotr’ombilahy sy ny ran’osilahy mbamin’ny rano, ka volonondry mena midorehitra sy hysopa*+ no namafazany izany teo amin’ny boky sy ny vahoaka rehetra,

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara