32 Dia vita daholo ny asa momba ny tranolay, izany hoe ny tranolay fihaonana, izay nataon’ny zanak’Israely araka izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.+ Izany indrindra no nataon’izy ireo.
43 Ary nijery ny asa rehetra i Mosesy, ka hitany fa nataon’izy ireo araka izay nandidian’i Jehovah izany. Eny, toy izany no nataon’izy ireo. Koa nitso-drano azy ireo i Mosesy.+