-
1 Samoela 26:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Aoka ny mpanjaka tompoko mba hihaino ny tenin’ny mpanompony: Raha i Jehovah no nampirisika anao hamely ahy, dia aoka izy hankasitraka ny fanatitra varimbazaha atolotro.+ Fa raha olona kosa no nampirisika anao,+ dia voaozona eo anatrehan’i Jehovah izy ireo,+ satria efa nandroaka ahy androany mba tsy hiraiki-po intsony amin’ny lovan’i Jehovah,+ ka nanao hoe: ‘Mandehana manompo andriamani-kafa!’+
-
-
1 Tantara 5:26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Koa nampirisihin’ilay+ Andriamanitry ny Israely i Pola+ mpanjakan’i Asyria,+ dia i Tilgato-pilnesera+ mpanjakan’i Asyria, mba hanao sesitany+ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Dia nentin’izy io nankany Hala+ sy Habora sy Hara ary tany amin’ny reniranon’i Gozana izy ireo, ka mbola any mandraka androany.
-