-
2 Mpanjaka 11:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Dia hitan’i Atalia ny mpanjaka nitsangana teo akaikin’ny andry,+ araka ny fomba fanao. Teo akaikin’ny mpanjaka koa ireo lehibe sy ny mpitsoka trompetra.+ Hitany koa ny vahoaka manontolo nifaly+ sy nitsoka trompetra. Dia norovitin’i Atalia+ avy hatrany ny akanjony, sady niantso mafy izy hoe: “Fikomiana! Fikomiana!”+
-
-
2 Tantara 23:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Dia hitan’i Atalia ny mpanjaka nitsangana teo akaikin’ny andry,+ teo amin’ny fidirana. Teo akaikin’ny mpanjaka koa ireo andriana+ sy ny mpitsoka trompetra.+ Ary hitany koa ny vahoaka manontolo nifaly+ sy nitsoka+ trompetra, mbamin’ny mpihira+ nitendry zavamaneno sy ireo mpitarika ny fiderana. Dia norovitin’i Atalia avy hatrany ny akanjony, sady hoy izy: “Fikomiana! Fikomiana!”+
-