2 “Izao didy izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: ‘Tandremo tsara mba ho voatolotra amin’ny fotoana voatondro+ ny fanatitra ho ahy, dia ny sakafo omena ahy,+ ho fanatitra atao anaty afo, ho hanitra mampitony ahy.’+
23 Dia nanao sorona ho an’ireo andriamanitr’i+ Damaskosy+ izay namely azy izy, ka niteny hoe: “Manampy an’ireo mpanjakan’i Syria ny andriamaniny,+ ka hanolorako sorona mba hanampiany+ ahy koa.” Koa ireo andriamanitra ireo no nanjary vato mahatafintohina teo anoloany sy ny Israely rehetra.+