12 Rehefa nanolotra ny sorona i Absaloma, dia nampanantsoiny koa i Ahitofela+ Gilonita,+ mpanolo-tsain’i Davida,+ avy any Gilo+ tanànany. Dia nihamafy hatrany ilay fikomiana,+ ary nihamaro+ hatrany ny mpomba an’i Absaloma.
23 Ary toy ny hoe torohevitra azo rehefa nanontany an’Andriamanitra, ny torohevitra nomen’i Ahitofela tamin’izany andro izany. Na tamin’i Davida na tamin’i Absaloma, dia toy izany ny torohevitra+ rehetra nomen’i Ahitofela.+
23 Ary hitan’i Ahitofela fa tsy narahina ny toroheviny,+ dia nasiany lasely ny ampondra, ka lasa nankany an-tranony tany an-tanànany izy.+ Ary namela hafatra tamin’ny ankohonany izy,+ dia nananton-tena+ ka maty.+ Koa nalevina+ tao amin’ny fasan-drazany izy.