10 “‘Raha misy amin’ny taranak’Israely, na ny vahiny monina eo aminareo, mihinana ra,+ na ran’inona izany na ran’inona, dia hanameloka* ny olona*+ mihinan-dra aho, ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy.
27 Atolory eo amin’ny alitaran’i Jehovah Andriamanitrao ny fanatitra dorana,+ dia ny hena sy ny ra.+ Dia araraho eo anilan’ny alitaran’i Jehovah Andriamanitrao ny ran’ny sorona+ entinao, fa ny henany kosa azonao hanina.
29 Ny mifady ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy,+ sy ny ra+ sy ny biby nokendaina+ ary ny fijangajangana.+ Hahasoa anareo ny mitandrina tsara ireo zavatra ireo.+ Mirary soa ho anareo izahay!”