FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 29:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Dia hilaza ireo hoe: ‘Satria izy ireo nivadika tamin’ilay fifanekena,+ izay nataon’i Jehovah Andriamanitry ny razany fony izy nitondra azy ireo nivoaka avy tany Ejipta.+

  • 1 Tantara 28:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “Ary ianao, ry Solomona zanako, fantaro+ ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa+ azy amin’ny fo manontolo+ ary aoka ianao ho finaritra eo am-panompoana azy.+ Fa mandinika ny fo rehetra i Jehovah,+ ary hitany avokoa ny eritreritra sy ny faniriana.+ Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy,+ fa raha mahafoy azy kosa ianao,+ dia hariany mandrakizay.+

  • 2 Tantara 15:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Koa nandeha nankany amin’i Asa izy, ary niteny taminy hoe: “Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra! Momba anareo foana i Jehovah, raha momba azy ianareo.+ Ary raha mitady+ azy ianareo, dia hataony izay hahitanareo azy, fa raha mahafoy azy kosa, dia hafoiny koa.+

  • Jeremia 2:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Tokony hanitsy anao ny ratsy nataonao,+ ary tokony ho anatra ho anao ny nivadihanao.+ Aoka àry ho fantatrao sy ho hitanao fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an’i Jehovah Andriamanitrao.+ Tsy nahatonga anao hatahotra ahy+ anefa izany’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara