4 Rehefa nandringana an’ireo mpaminanin’i Jehovah+ mantsy i Jezebela,+ dia mpaminany zato no nalain’i Obadia ka nafeniny. Dimampolo avy no nataony tao anaty lava-bato, ary nitondrany mofo sy rano izy ireo.+
37 “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mpamono ny mpaminany+ sy mpitora-bato+ an’izay irahina ho any aminy!+ Impiry aho no te hanangona ny zanakao, tahaka ny fanangon’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany!+ Tsy nety anefa ianareo.+