FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Joba 3:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Haka azy indray anie ny haizina sy ny haizim-pito!

      Hisy rahona mitatao anie eo aminy,

      Ary hampihorohoro azy anie ny zavatra manamaizina ny andro!+

  • Joba 38:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Efa naharihary taminao ve ny vavahadin’ny fahafatesana?+

      Sa ianao afaka mahita ny vavahadin’ny haizim-pito?+

  • Salamo 23:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Na dia mamakivaky lohasaha maizim-pito aza aho,+

      Dia tsy misy loza atahorako,+

      Satria ianao no eo anilako.+

      Ny tsorakazonao sy ny tehinao no manome toky ahy.+

  • Salamo 88:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ho fantatra ao amin’ny haizina ve ny fahagagana nataonao,+

      Ary ny fahamarinanao ve ho fantatra ao amin’ny tanin’ny fanadinoana?+

  • Mpitoriteny 9:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo,+ fa tsy misy asa na eritreritra na fahalalana+ na fahendrena+ ao amin’ny Fasana,*+ izay toerana halehanao.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara