FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 34:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Mialà amin’ny ratsy ka manaova ny tsara.+

      Mitadiava fihavanana ka tandrovy izany.+

  • Salamo 37:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Mialà amin’ny ratsy ka manaova ny tsara,+

      Dia honina amin’ny tany mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao.+

  • Salamo 101:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Tsy hamela zava-poana ho eo anoloan’ny masoko aho.+

      Halako ny zavatra ataon’ireo miala amin’ny lala-mahitsy.+

      Tsy avelako hahakasika ahy izany.+

  • Salamo 119:104
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 104 Ny didinao no mahatonga ahy hahira-tsaina,+

      Ka lasa halako ny lalan-diso rehetra.+

  • Amosa 5:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Ankahalao ny ratsy ary tiavo ny tsara.+ Ary ampanjakao eo am-bavahady ny rariny,+ fa mety hamindra fo ihany amin’izay sisa amin’ny taranak’i Josefa+ i Jehovah Andriamanitry ny tafika.’+

  • Romanina 7:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Fa tsy fantatro izay ataoko. Tsy izay sitrako mantsy no ataoko fanao, fa izay halako indray no ataoko.

  • Romanina 12:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Aoka tsy hisy fihatsarambelatsihy+ ny fitiavanareo.+ Ankahalao ny ratsy,+ mifikira amin’ny tsara.+

  • Hebreo 1:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny fandikan-dalàna. Izany no nahatonga an’Andriamanitra, izay Andriamanitrao, hanosotra+ anao menaka fifaliana mihoatra noho ireo namanao.”+

  • Joda 23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Vonjeo izy,+ ka sariho haingana avy ao amin’ny afo.+ Amindrao fo hatrany koa ny hafa, ka ataovy amin-tahotra izany, ary ankahalao na dia ny akanjo anatiny voapentimpentin’ny nofo aza.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara