FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 13:32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Ary ratsy ny zavatra nolazain’izy ireo+ tamin’ny zanak’Israely momba ilay tany, tamin’ny nilazany hoe: “Ilay tany izay notetezinay sy nojerenay taratra, dia mahalany ripaka ny mponina ao aminy, ary goavam-be ny olona rehetra hitanay tao.+

  • Deoteronomia 8:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Fa efa hampiditra anao ao amin’ny tany soa+ i Jehovah Andriamanitrao. Tany be lohasaha falehan-driaka misy rano izy io, sady misy loharano sy rano lalina avy any amin’ny lemaka*+ sy ny faritra be tendrombohitra;

  • Jeremia 3:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Ary hoy aho: ‘Faly erỳ aho nanao anao ho isan’ny zanako sy nanome anao an’ilay tany mahafinaritra,+ dia ilay lova ravaky ny tafik’ireo firenena!’ Dia hoy koa aho: ‘Hiantso ahy hoe “Raiko!”+ ianareo, ary hanaraka ahy foana.’

  • Ezekiela 20:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Tamin’izany andro izany, dia nanangan-tanana aho+ ka nianiana tamin’izy ireo fa hamoaka azy avy any Ejipta, mba hitondra azy any amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely,+ dia ilay tany efa nojereko taratra mba homena azy ireo. Ravaky ny tany rehetra izy io.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara