FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 10:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “Aza misotro divay na toaka+ ianao sy ny zanakao lahy, rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana mba tsy ho faty ianareo. Lalàna mandritra ny fotoana tsy voafetra izany, ho an’ny taranakareo,

  • Estera 3:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Navoaka tao an-dapan’i Sosana+ koa ilay lalàna. Dia niolomay+ ireo iraka noho ny tenin’ny mpanjaka. Ary nipetraka hisotro i Hamana sy ny mpanjaka,+ fa nisahotaka+ kosa ny tao an-tanànan’i Sosana.+

  • Mpitoriteny 10:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Sambatra ianao, ry tany, raha zanaky ny olona ambony ny mpanjakanao, ary ny andriananao misakafo amin’ny fotoana mety mba hahazoana hery, fa tsy misotro tafahoatra.+

  • Isaia 28:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ireny koa dia diso lalana noho ny divay, ary mirenireny noho ny toaka. Diso lalana ny mpisorona sy ny mpaminany+ noho ny toaka, very hevitra izy ireo vokatry ny divay, ary mirenireny+ vokatry ny toaka. Diso lalana koa izy ireo ao amin’ny fahitana hitany, ary mivembena amin’ny fanapahan-keviny.

  • Daniela 5:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Koa nisotro divay izy ireo, ary nidera an’ireo andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.+

  • Hosea 4:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Fa fijangajangana sy divay efa niotrika ela ary divay mamy no manaisotra ny faniriana hanao ny tsara.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara