FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 16:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tezitra sady nisafoaka tamin’ilay mpahita anefa i Asa noho izany teniny izany,+ ka nampidiriny tao am-ponja izy sady nasiany boloky hazo ny tongony.+ Ary nanomboka nampahory+ olon-kafa teo amin’ny vahoaka koa i Asa tamin’izay fotoana izay.

  • 2 Tantara 18:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata:+ “Mbola misy lehilahy iray+ azo asaina manontany an’i Jehovah. Tena halako anefa izy+ satria hatrizay niainany dia tsy mba maminany zava-tsoa momba ahy mihitsy izy fa zava-dratsy foana.+ Tsy iza izany fa i Mikaia zanak’i Jimla.”+ Hoy anefa i Josafata: “Aza dia miteny toy izany, ry mpanjaka ô!”+

  • 2 Tantara 24:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Ary tsy nitsahatra naniraka mpaminany+ nankany amin’izy ireo i Jehovah mba hampodiana azy ireo aminy. Koa nampitandrina azy ireo foana ny mpaminany, nefa tsy nihaino izy ireo.+

  • Jeremia 11:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Koa izao no nolazain’i Jehovah mba hanamelohana an’ireo mponina ao Anatota,+ izay mifofo ny aiko ka manao hoe: “Aza maminany amin’ny anaran’i Jehovah+ ianao sao hovonoinay”,

  • Jeremia 26:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Dia hoy ny mpisorona sy ny mpaminany tamin’ireo andriana sy ny vahoaka manontolo: “Mendrika ny homelohina ho faty+ ity lehilahy ity, satria naminany fa hisy loza hanjo an’ity tanàna ity. Ary ny sofinareo mihitsy no efa nandre izany.”+

  • Asan’ny Apostoly 4:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Fa mba tsy hielezan’izany bebe kokoa eo amin’ny vahoaka, dia andao horahonantsika izy ireo tsy hiteny amin’izany anarana izany intsony, na amin’iza na amin’iza.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara