9 Ary notaomin’i Manase+ foana ny Joda+ sy ny mponin’i Jerosalema, mba hanao ratsy+ mihoatra noho izay nataon’ireo firenena naringan’i Jehovah tsy ho eo anatrehan’ny zanak’Israely.+
14 Ary na ny lehiben’ny mpisorona+ rehetra sy ny vahoaka aza, dia nivadika tamin’Andriamanitra, ka nanao ny zava-maharikoriko+ rehetra fanaon’ireo firenena. Koa nolotoin’izy ireo ny tranon’i Jehovah, izay nohamasininy tao Jerosalema.+
9 Efa nanao zava-dratsy tafahoatra izy ireo,+ toy ny tamin’ny andro nitrangan’izany tany Gibea.+ Koa hotsarovan’Andriamanitra ny fahadisoany,+ ka hataony ampamoaka izy noho ny fahotany.