11 Rehefa maina ireo rantsana kely any, dia vehivavy no ho tonga hanapaka sy handrehitra an’ireny.+ Fa tsy mba mahira-tsaina ilay vahoaka.+ Koa tsy hamindra fo aminy ny Mpanao azy, ary tsy hiantra azy ny Mpamolavola azy.+
7 Na ny vanobe eny amin’ny lanitra aza mahalala tsara ny fotoana voatondro.+ Ary samy manaja tsara ny fotoana fahatongavany ny domohina+ sy ny sidintsidina ary ny tsikorovana. Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsaran’i Jehovah.”’+
6 Ho ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ny fahalalana.+ Noho ianao nanda ny fahalalana,+ dia holaviko tsy ho mpisoroko intsony ianao.+ Ary noho ianao manadino foana ny lalàn’Andriamanitrao,+ dia hohadinoiko koa ny zanakao.+
44 Ary hatontany amin’ny tany ianao sy ny zanakao ao aminao,+ ary tsy havelany hisy vato hifanaingina+ eo aminao, noho ny tsy nahatakaranao ny fotoana nanaraha-maso+ anao.”