FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 2:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “‘Efa hatry ny ela no nopotipotehiko ny zioganao,+ ary notapahiko ny tady nangeja anao. Hoy ihany anefa ianao: “Tsy hanompo anao aho.” Dia nitsilailay eran’ny havoana avo rehetra sy teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra+ ianao, ka nivaro-tena.+

  • Jeremia 3:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary hoy i Jehovah tamiko tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka:+ “‘Hitanao ve izay nataon’ny Israely mpivadika?+ Mandeha eran’ny tendrombohitra avo rehetra izy+ sady mankeny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra+ mba hivaro-tena.+

  • Ezekiela 6:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Koa tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah+ rehefa hiampatrampatra eny rehetra eny ny fatiny, dia eny akaikin’ireo sampiny maharikoriko,+ eny amin’ny manodidina ny alitarany,+ eny amin’ny havoana avo rehetra,+ eny an-tampon-tendrombohitra rehetra,+ eny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra+ ary eny ambanin’ny hazobe maro rantsana rehetra,+ izany hoe eny amin’ny toerana nanolorany hanitra mampitony mba ho an’ireo sampiny maharikoriko rehetra.+

  • Hosea 4:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Eny an-tampon-tendrombohitra no anaovany sorona,+ ary eny amin’ny havoana no anolorany setroka ho sorona,+ eny, eo ambanin’ny hazo goavana sy ny hazo stiraksa ary ny hazobe, satria tsara alokaloka ireny.+ Noho izany, dia mijangajanga ny zanakareo vavy, ary manitsakitsa-bady ny vinantovavinareo.

  • Romanina 6:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Vokatra+ inona àry no azonareo tamin’izany fotoana izany? Vokatra+ mahamenatra anareo ankehitriny, fa fahafatesana no hiafarany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara