11 Ary ny vahoaka sisa+ tao an-tanàna, sy ireo nitsoaka mba hitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babylona, ary ny olona sisa tavela, dia nentin’i Nebozaradana lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, ka nataony sesitany.+
18 Ary nentiny daholo ny fitaovana+ tao an-tranon’Andriamanitra, na lehibe+ na kely, ary koa ny zava-tsarobidy+ notehirizina tao an-tranon’i Jehovah mbamin’ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka+ sy ny andrianany, eny, nentiny tany Babylona daholo izany.