FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Joba 9:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 Mamelatra ny lanitra samirery izy,+

      Ary mandeha eny amin’ny onjan-dranomasina avo be.+

  • Salamo 104:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Hazavana no toy ny akanjo andrakofanao ny tenanao.+

      Ary henjaninao toy ny tranolay ny lanitra.+

  • Salamo 136:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Ilay nanao ny lanitra tamin’ny fahiratan-tsainy:+

      Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana;+

  • Isaia 40:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Izy Ilay mipetraka any amin’ny avo, any ambonin’ity tany boribory ity,+ ary toy ny valala ny mponina amin’ny tany. Izy no mamelatra ny lanitra toy ny lamba manify, sy mamelatra azy toy ny tranolay fonenana.+

  • Isaia 42:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Izao no lazain’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ilay Mpamorona ny lanitra,+ Ilay Be Voninahitra mamelatra ny lanitra,+ Ilay mamelatra ny tany+ mbamin’izay vokariny,+ Ilay manome fofonaina+ ho an’ny mponin’ny tany,+ sy manome aina* ho an’izay mandeha eny ambonin’ny tany:+

  • Isaia 45:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Izaho no nanao ny tany+ sy namorona ny olona eo amboniny.+ Izaho, eny, ny tanako no namelatra ny lanitra,+ sy nanome baiko ny tafiny manontolo.”+

  • Zakaria 12:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Fanambarana:

      “Ny tenin’i Jehovah momba ny Israely.” Izao no tenin’i Jehovah, Ilay namelatra ny lanitra,+ sy nametraka ny fototry ny tany,+ ary namorona ny ain’ny+ olona, ka nametraka izany ao anatiny:

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara