FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 2:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Ary rehefa maty ilay mpitsara, dia niverina tamin’ny ratsy fanaony izy ireo ary nanao mihoatra noho ny razany aza, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany.+ Tsy niala tamin’ny fanaony sy ny di-dohany izy ireo.+

  • 2 Tantara 21:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 fa nanao hoatran’izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely+ kosa, ka nitaona ny Joda sy ny mponin’i Jerosalema mba hanana fifandraisana mamoafady amin’ny andriamani-diso,+ toy ny nataon’ny ankohonan’i Ahaba izay nitaona ny olona hanana fifandraisana mamoafady+ toy izany. Novonoinao+ koa aza ny rahalahinao, izay anisan’ny ankohonan-drainao sady tsara noho ianao.

  • Jeremia 7:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Koa lazao aminy hoe: ‘Ity ilay firenena tsy mankatò ny tenin’i Jehovah Andriamaniny,+ sady tsy mandray anatra.+ Tsy misy olona tsy mivadika intsony eo amin’izy ireo, ary tsy aloaky ny vavany intsony ny resaka tsy fivadihana.’+

  • Jeremia 13:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 sy ny fanitsakitsaham-bady ataonao,+ sy ny filanao+ lehilahy, ary ny fitondran-tenanao baranahiny tamin’ianao nivaro-tena. Hitako ny zava-maharikoriko nataonao teny amin’ny havoana sy teny an-tsaha.+ Lozanao, ry Jerosalema ô! Tsy hadio ianao.+ Mandra-pahoviana ianao no ho toy izany?”+

  • Asan’ny Apostoly 7:51
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 51 “Ry mafy hatoka, tsy voafora fo+ sy sofina! Manohitra ny fanahy masina foana ianareo. Ary tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara