Deoteronomia 32:32 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 32 Fa avy amin’ny voalobok’i Sodoma ny voalobok’izy ireo,Avy amin’ny tanimboly mikitohatohatr’i Gomora.+Misy poizina ny voalobok’izy ireo,Ary mangidy ny voaloboka amin’ny sampahony.+ Salamo 80:8 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 8 Nisy voaloboka nafindranao avy tany Ejipta.+Noroahinao ireo firenena mba hahafahanao hamboly azy.+ Isaia 5:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 5 Hanao hira ho an’ny malalako aho, dia hira momba an’ilay malalako sy ny tanimboalobony.+ Nanana tanimboaloboka teo amin’ny tehezan-kavoana iray mahavokatra ny malalako. Marka 12:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 12 Ary nanomboka nilaza fanoharana tamin’ireo koa izy hoe: “Nisy lehilahy iray nanao tanimboaloboka,+ ka namefy azy manodidina sy nihady lavaka famiazam-boaloboka ary nanangana tilikambo.+ Nampanofainy tamin’ny mpamboly izy io,+ ary lasa nankany an-tany hafa izy.+
32 Fa avy amin’ny voalobok’i Sodoma ny voalobok’izy ireo,Avy amin’ny tanimboly mikitohatohatr’i Gomora.+Misy poizina ny voalobok’izy ireo,Ary mangidy ny voaloboka amin’ny sampahony.+
5 Hanao hira ho an’ny malalako aho, dia hira momba an’ilay malalako sy ny tanimboalobony.+ Nanana tanimboaloboka teo amin’ny tehezan-kavoana iray mahavokatra ny malalako.
12 Ary nanomboka nilaza fanoharana tamin’ireo koa izy hoe: “Nisy lehilahy iray nanao tanimboaloboka,+ ka namefy azy manodidina sy nihady lavaka famiazam-boaloboka ary nanangana tilikambo.+ Nampanofainy tamin’ny mpamboly izy io,+ ary lasa nankany an-tany hafa izy.+