FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 8:54
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 54 Raha vao vitan’i Solomona izany vavaka rehetra izany, eny, ny vavaka sy ny fitalahoany famindram-po tamin’i Jehovah, dia tsy nandohalika+ sy tsy namelatra ny tanany ho amin’ny lanitra+ intsony izy, fa nitsangana niala teo anoloan’ny alitaran’i Jehovah.

  • 2 Tantara 6:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Fa i Solomona efa nanao lampihazo+ varahina ka nametraka izany teo afovoan’ny tokotany.+ Dimy hakiho ny lavan’ilay izy, dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny haavony. Ary teo ambonin’io izy no nitsangana. Dia nandohalika+ teo anatrehan’ny fiangonan’Israely manontolo izy, ka namelatra ny tanany ho amin’ny lanitra.+

  • Ezra 9:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Tamin’ny fotoanan’ny fanatitra varimbazaha+ amin’ny takariva, dia nitsangana aho rehefa avy nampietry ny tenako toy izany, ary mbola teny amiko ireo akanjoko anatiny sy ivelany rovitra. Dia nandohalika+ aho ka namelatra ny tanako ho amin’i Jehovah Andriamanitro.+

  • Salamo 95:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Midira ka aoka isika hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany.+

      Aoka isika handohalika+ eo anatrehan’i Jehovah Mpanao antsika.+

  • Lioka 22:41
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 41 Ary nihataka kely tokony ho indray mitora-bato izy, dia nandohalika ka nivavaka

  • Asan’ny Apostoly 7:60
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 60 Dia nandohalika izy ka niantsoantso mafy hoe: “Jehovah ô, aza atao ho helony anie izao!”+ Rehefa avy nilaza izany izy, dia nodimandry.*

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara