FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 32:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia noraisin’i Arona avy teny an-tanan’izy ireo ny volamena ka namboariny+ tamin’ny fandraka. Ary nanao sarivongana zanak’omby tamin’ireo volamena narendrika izy.+ Dia hoy ny olona: “Io ny Andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, ry Israely ô!”+

  • Mpitsara 17:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Naveriny tamin-dreniny anefa ilay volafotsy. Ary naka farantsa volafotsy roanjato ny reniny, ka nomeny ny mpanefy volafotsy+ izany. Koa nanao sary sokitra+ sy sarivongana tamin’ny volafotsy narendrika+ ilay mpanefy. Dia napetraka tao an-tranon’i Mika izany.

  • Isaia 46:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Misy olona mandraraka volamena be dia be avy ao amin’ny kitapom-bola, sy mandanja volafotsy amin’ny mizana, ary manakarama mpanefy mba hanamboatra izany ho andriamanitra.+ Dia miondrika eo izy ireo, ary miankohoka.+

  • Hosea 8:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Efa nanangana mpanjaka izy ireo,+ nefa tsy avy amiko izany. Efa nanangana andriana izy, nefa tsy fantatro akory izany. Ny volafotsiny sy ny volamenany no nanaovany sampy.+ Vokatr’izany, dia ho ringana izy ireo.+

  • Hosea 13:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Ary vao mainka izy mampitombo ny fahotany ankehitriny ka manao sarivongana amin’ny volafotsy narendrika,+ dia sampy araka izay saim-pantany fotsiny.+ Asan’ny mpanao asa tanana daholo ireny.+ Ary ireny no ilazany hoe: ‘Aoka hanoroka zanak’omby+ ny olona mpanao sorona.’

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara