10 Tsy hianatra fahamarinana kosa ny ratsy fanahy, na dia iantrana aza.+ Tsy hanao ny rariny izy, na dia ao amin’ny tanin’ny fahitsiana aza.+ Ary tsy hahita ny fahambonian’i Jehovah izy.+
22 Fa adala+ ny oloko. Tsy miraharaha ahy izy.+ Zanaka maditra sy tsisy saina izy.+ Raha hanao ratsy dia hendry izy, fa raha ny hanao ny tsara kosa tsy hainy.+