FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 34:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Manana sabatra i Jehovah, ary ho feno ra+ sy hihoso-menaka izy io, noho ny ran’ondrilahy sy ran’osilahy ary noho ny tavin’ny+ voan’ondrilahy. Fa misy sorona hataon’i Jehovah ao Bozra, ary be dia be no hovonoiny ao Edoma.+

  • Jeremia 46:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “An’i Jehovah Tompon’ny tafika sady Tompo Fara Tampony izany andro izany. Andro famaliana izay hamaliany an’ireo fahavalony izany.+ Ny sabatra dia hihinana sy ho voky ary hisotro ny ran’izy ireo ka ho afa-ketaheta. Fa misy sorona+ ataon’i Jehovah Tompon’ny tafika sady Tompo Fara Tampony,+ ao amin’ilay tany any avaratra, eo akaikin’ny reniranon’i Eofrata.+

  • Ezekiela 39:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 “Ry zanak’olona, izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Lazao amin’ny karazam-borona rehetra sy amin’ny bibidia rehetra hoe:+ “Avia daholo! Miangòna manodidina ny sorona atolotro ho anareo, dia ilay sorona lehibe eny amin’ny tendrombohitr’i Israely.+ Fa hihinana nofo sy hisotro ra ianareo.+

  • Apokalypsy 19:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Hitako koa fa nisy anjely nijoro teo amin’ny masoandro, ary niantsoantso mafy izy ka nilaza tamin’ny vorona+ rehetra nanidina teny afovoan’ny lanitra hoe: “Avia atỳ ka miangòna ho amin’ny sakafo hariva lehibe nataon’Andriamanitra,

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara